image

Fampidirana

Ny World Trade Center Tana dia mampiroborobo ny varotra eto Madagasikara ka mampivondrona ireo mety ho mpisehatra ka mampifandray azy ireo amin’ny alalan’ny kaonferansa, atrikasa ary fivoriana. Manampy ireo orinasa izay te hiasa eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampanofana birao, soso-kevitra eo amin’ny lalàna sy ny hetra, fanampiana eo amin’ny resaka visa ary ny maro hafa koa. Ny WTCT ihany koa dia manampy ireo orinasa izay efa miorina eto Madagasikara amin’ny fametrahana famantarana manokana amin’ny alalan’ny atrikasa, loa-bary an-dasy ary hetsika iraisam-pirenena.
Ny WTCT dia ao anatin’ny World Trace Centers Association (WTCA) izay tambazotra maneran-tany ahitana ivon-toerana mihoatra ny 300 maneran-tany. I ViMa no manana ny fahazoan-dalana mitantana ny WTCT nanomboka ny volana Jiona 2013.

Ny Marathon International de Tana

image

Ny Marathon International de Tana no isan’ireo hetsika lehibe ataonay isan-taona. Manana fifanarahana manokana ny WTCT no manome fanampiana ara-teknika ho amin’ny Marathon hatramin’ny taona 2015, ary miara-miasa amin’ny Federasiona Malagasy ny Atletisma (FMA). Manampy ireo mpikambana ao aminy ihany koa ny WTCT ka manome tolo-kevitra azy ireo ary manome ny fampahalalana amin’ny fanaovana fanadihadiana ny tsenam-barotra, fampiofanana, atrikasa ary asa fampitomboana ny fifankalalana amin’ny olona hafa.

image

Ny fahatokisana omenao anay amin’ny fikarakarana ny seho ataonareo sy ny manodidina ny serasera dia midika toy izao:

• Lasa mora hita kokoa ianareo eny anivon’ireo tambazotran’ny serasera misy rehetra
• Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ara-sosialy sy ara-toekaren’i Madagasikara
• Fa izahay dia miandraikitra ny fampahafantarana amin’ny haino aman-jery mikasika anareo
• Mahazo tombony amin’ny fifaneraserana amin’ireo olona fantatray sy ny tambazotra nasionaly sy maneran-tany anananay.

image

Ireo hetsika natao

  • Fanomezana ny taratasy fanamarinana ho FSCTMho an’ny ViMa Woods
  • Fampiraisana sy fanamafisana ny firalahiana eo amin’ny ekipa: Fikarakarana amin’ny ankapobeny sy ny haino aman-jery
  • Atrikasa miaraka niarahan’ny PriceWaterHouse Coopers (PwC) & ny Ministry ny Angovo sy ny Solika
  • Fampisehoana nataon’i Grace Kelly teto Madagasikara
  • Ny lanonana Sweet Valentine
  • Tana International Marathon
  • Ny fanokafana ny Lalana Andohatapenaka izay tetikasan’ny Filoham-pirenena
  • Ny fanokafanana ny toby famokarana herinaratra Symbion eny Mandroseza

Address

World Trade Center Tana
Explorer Business Park
BP 12 128 – Ankorondrano
101 Antananarivo – Madagascar

E-mail: contact@wtctana.com