image

Fampidirana

Iray amin'ireo orinasan’i Vision Madagascar, ViMa Real Estate (VRE) dia laharana voalohany amin'ny fampanofana trano sy tany eto Madagasikara. Niorina tamin'ny taona 2000, manodidina ny 23.000 m2 ireo birao mihofa eto Antananarivo renivohitra. Mpisava lalana ny amin’ny famoronana vala eto Madagasikara ; ViMa Real Estate ankehitriny dia mampiasa tany manodidina ny 60 hekitara.
Ny mpanofa ao amin’ny ViMa Real Estate dia ireo orinasa lehibe sy masoivoho avy amin'ny firenena samihafa.

Ny Explorer Business Park

image

Ao amin’ny « Village des jeux » Ankarondrano ; ao anatin’ny ivon toeran’ draharaha eto Antananarivo - Ny Explorer Business Park dia manolotra toerana stratejika, tontolo iainana mahafinaritra ary voaro mandritry ny 24/ 24 ora, 7/ 7 andro. Vala misy birao mirefy 12.500 m2 mahery ,amin'ny 3 hektara, ny Explorer Business Park dia ahitana mpanofa toy ny masoivoho, ny andrim-panjakana ary orinasa lehibe.

image

Ireo mpanofa trano ankehitriny eto Antananarivo

Masoivoho afrikanina atsimo, ny an’i Maraoka sy Norvezy dia isan’ireo masoivoho misitraka toerana ao amin’ny Explorer Business Park na amin’ireo toerana manokana hafa eto amin’ny tanana.

Ireo mpanjifa eto amin’ny Explorer Business Park :

  •  Access Bank Madagascar
  •  Airtel
  •  AmCham (American Chamber of Commerce)
  •  BMOI
  •  CRBC (China Road and Bridge Company)
  •  CRIF
  •  Eiffage Génie Civil
  •  Jirama
  •  Madinter
  •  Prodigy (World Bank)
  •  Santosha Consulting
  •  Shizuku
  •  Smart Game
  •  Startimes Media
  • Téléperformance. ViMa Real Estate dia manangana trano ho an’ny Téléperformance ankehitriny, izay maniry ny hanitatra ny biraony amin’ny faritra manodidina ny 9.200 m2
  •  TLS Contact
  •  World Trade Center Antananarivo
  •  W3D

Adiresy

ViMa Real Estate
Explorer Business Park
BP 12128 – Ankorondrano
101 Antananarivo – Madagasikara

Mailaka: vima@visionmadagascar.com