image

“Toeram-piasana ho an’ny rehetra”

Ny ViMa Business Centers (VBC) dia tantanin’ny Regus®, ary ahitana karazana toeram-piasana ary koa vahaolana ho an’ireo mpiasa mandehandeha sy mijanona anaty trano eto Madagasikara. Manana birao sy efitrano fivoriana mihoatra ny 900 m² ny VBC.

Regus® mantsy no mpamatsy lehibe indrindra maneran-tany amin’ny fanomezana toeram-piasana tsy dia manahirana loatra ka ny mpanjifa dia ahitana ny sasany amin’ireo mpandraharaha, olona tsotra ary orinasa manodina vola an-davitrisany izay mahomby indrindra. Ny fiaraha-miasan’ny ViMa amin’ireo famantarana malaza toy Regus® dia isany antony hisokajiana azy ho tena mpisehatra maneran-tany.

Inona avy ireo tolotra omenay

image

Mahasarika ny mpanjifa azy tokoa ny ViMa Business Centers noho ireo karazana tolotra izay omeny. Mahatonga ny VBC ho orinasa mahasarika tokoa ny fananany mpandray olona, toerana manokana hivantanan’ny mpandraharaha, kojakoja ho amin’ny birao, fahazoana mampiasa internet ary ny tolotra eo amin’ny fitantanan-draharaha. Manome vahaolana izay mamaly ny filàna rehetra amin’ny fomba raitra tokoa ny ViMa Business Centers amin’ny alalan’ny Regus®: • Toeram-piasana misy fanaka sy misy ireo fitaovan-tserasera izay mety hivoatra miaraka amin’ny fandraharahanao; na ho an’olona iray na ekipa iray manontolo mihitsy. • Toerana hahazoan’olona miara-miasa, toerana azo atao birao ao amin’ny toerana azo ifampizarana tsara. • Adiresy malaza tokoa raha eo amin’ny resaka fandraharahana izay afaka mamaly ny hetahetan’ny mpanjifa, mikirakira ny mailaka ary mandefa izany noho ny fisian’ny birao virtoaly anananay.

image

Ireo mpanofa tranonay

Isan’ireo karazana mpanofa eo anivon’ny ViMa Business Centers sy Regus® ny IBM, W3D ary ny Konsily omem-boninahitry ny Romania.

Address

ViMaBusiness Centers
Explorer Business Park
BP 12 128 – Ankorondrano
101 Antananarivo – Madagascar

E-mail: vima@visionmadagascar.com