Ireo talenta eo anivon’ny ViMa

Tsinontsinona mihitsy ny orinasa ViMa raha tsy teo ireo mpiasa eo amin’ny izay manam-pahaizana tokoa. Ireo lehilahy sy vehivavy miasa ho an’i ViMa no tena isan’ny harena tsy azo idoviran’ny orinasa, ary ny toetra matihanina, mavitrika ary fahaiza-manao asehon’izy ireo dia isan’ny fanoitra lehibe mahatonga an’i ViMa hahomby.
Ireo karazana fahaiza-manao arak’asa ananan’ny tsirairay dia tena mampivoitra ny tontolon’ny asa eo anivon’ny ViMa ary ny traikefa isan-tsokajin’ny mpiasa, ny asa sahaniny ary ny firenena fiavian’ny mpiasa no isan’ireo tanjaky ny orinasa. Ireo hirika maro be atolotra sy ny asa fandraharahana atolotry ViMa ary koa ny fisianay eny amin’ny toerana maro dia mahatonga anay afaka manome karazana asa maro isan-karazany ho an’ireo olona manan-talenta eto aminay.

Fikarohana ireo manan-talenta

Tanjonay ny hisintonana, handray ato aminay ary hampivelatra ireo olona mahay indrindra na inona na inona ny traikefa ananany. Omenay fahafahana mivelatra eo amin’ny sehatry ny asa ny rehetra, ny karazana sehatr’asa iompananay dia toa manome sehatra malalaka ho an’ireo mpitady asa.
Izahay dia mitady olona manan-talenta miankina amin’ny zava-misy sy tia mamorona izay mahatsapa fa manana fahaiza-mitarika ary vonona ny hanaraka ny zava-misy.
Satria izahay dia mahatsapa fa harena tokoa ny fahasamihafana, manamafy etoana izahay fa tsy hanao fanavakavahana noho ny taona, ny mahalahy sy ny mahavavy, ny fiaviana, ny fomba fijery na hoe toetoetran'ny olona manokana mandritra ny fotoana fitadiavana mpiasa eto aminay.