image

Fampidirana

Mitodika amin'ny fanatobiana nomerika na ny « Digitalisation » ny orinasa ViMa (Vision Madagasikara), namorona ny marika ViMa Tek ny taona 2021 mba hamaliana ny fangatahana misy eto Madagasikara, toy ny nataon'ny minisitera isan-karazany.
Miompana manokana amin'ny teknolojia avo lenta, ViMa dia namolavola fiataovana teknolojika maro karazana, ary nahatomboka tamin'ny takelaka nomerika izany. Takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro, ary atolotra miaraka amin'ireo kojakoja ilaina sy miaro azy.
Noho izy mande amin'ny herin'ny masoandro, dia afaka ampiasaina ny rehetra na aiza na aiza sy amin'ny fotoana rehetra.

Maneho inona ny ViMa Tek ?

Fivoarana, tanjaka, fifandraisana

Fivoarana, entina hanatsarana ny andavanandro amin'ny lafony fahalalana, ny famakafakana, ny fandraharahana, ...
Tanjaka, vokatra tsara sy mahatanjaka ary azo antoka fa miatsara hatrany no atolotra. Mamaly ireo fepetra teknolojika rehetra takiana ankehitriny.
Fifandraisana, ny fidirana amin'ny teknolojia dia mampivelatra amin'izao tontolo izao ; rohy mampifandray sy manaparitaka amin'ny manodidina.

Malina, mandaitra, mifanaraka

Malina, ny hakanto dia singa iray entin'ny mpanjifa hifidianana ny vokatra.
Mikasika ny fahombiazana, ny takelaka nomerika dia fitaovam-pianarana, fanofanana ary hiasana.
Ary farany mifanaraka amin'ny endrika tedavin'ny mpanjifa ny vokatra, izany dia amin'ny alalan'ny fampidirana doko hita maso.

Miaraka amin'ny ViMa Tek, ny Orinasa ViMa dia manohy fampandrosoana, amin'ny fitaovana ilaina hanatsarana ny kalitaon'ny fiainan'ny Malagasy.
Mamorona Madagasikara vaovao, an-tsitrapo, ary azo tsapain-tanana.

Adiresy

ViMa Serv’

Lot II J 172 J – Alarobia
101 Antananarivo – Madagascar
Tél. +261 34 14 737 80
Mail : vimaserv@visionmadagascar.com