Tetik’asa ho avy
REGUS
Amin’ny volana oktobra 2011 no kasain’ny Vima hamolavolana ny foto-kevitry ny Regus momban’ny fananganana birao hary fomba misy ny fitaovana rehetra mifanaraka amin’ny safidin’ny tsirairay. Izany no ho toeram-pandraharahana voalohany manara-penitra hisokatra eto Madagasikara.
Io foto-kevitra io dia natao indrindra hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa mitady birao ampiasaina ao anatin’ny fotoana fohy na maharitraritra. Nahafaly ny Vima REAL ESTATE ny nahazoany io tolotra vaovao io.
Izany dia nanendren'ny Vima REAL ESTATE sampana roa ato anatin'ny vondrona. Vima REAL ESTATE ihany koa no nanendry ny mpanao mari-trano sy ny tompon'andraikitry ny tetikasa.
Regus, amin’ny fehezan-teny fohy…
Fikambanan’orinasa iraisam-pirenena maromaro ny Regus Group. Tolotra maromaro toy ny birao misy ny fitaovana ilaina rehetra, birao virtuel, efitrano fivoriana no aroson’ny marika (HQ, Stratis, Business Meeting Places, et Laptop Lane) ho an’ny mpanjifa. Ny tolotra dia natao ho an'ny orinasa madinika, ny vondrona goavana ahitana mpiasa voafetra amina toerana iray, ny mpiasa matihanina mivezivezy. Lohalaharana maneran-tany amin’ny fanolorana toerana hiasana any ivelany, ny vondrona REGUS. Manana foiben-draharaha 950 any amin’ny tanàn-dehibe miisa 400 any amin’ny firenena 70. Tamin’ny taona 2006, tonga hatramin’ny GPB £680.0 millions ny ankapoben’ny vola niditra. Mampiasa olona 4700 Regus ary manana fankasitrahana eo amin’ny varobolan’ny Londres.
Tetik’asa fampanofana trano
Amin’ny taona 2012 dia maniry fatratra ny hitondra fanavaozana eo amin’ny atao hoe trano mirentirenty ny Vima REAL ESTATE.
Trano fonenana avo lenta (penthouses) manodidina ny 50 eo ho eo misy ny kojakoja rehetra faran’izay tsara no heverina haorina ao anatin’ny faritra Ivandry, distrikan’ny mpanam-bola sy mivoatra dia mivoatra eto Antananarivo.
Raha mpahaimaritrano roa fanta-daza, Iain Clavadetscher et Geneviève Brunet no nantsoina dia heverina ho hairafitrano fakantahaka eto Madagasikara sy eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana mihitsy no hotanterahina amin’io tetikasa io
Fanazavana mikasika ny mpahaimaritrano:
Iain Clavadetscher – Mpahairafitrano avy amin’ny cabinet CH Architectes
" Vonona hiara-hiasa tanteraka amin’ny Vima ny CH Architects ary handray anjara amin’ny fananganana Madagasikara vaovao. Toerana azo hananganana orin-trano tsara hampiavaka ny tanànan’ Antananarivo sy Madagasikara ny eny Ivandry. Ny traikefa hananantsika amin’ny maha birao hairafitrano antsika no ahafahantsika miara-miasa hitady vahaolana miainga amin’ny toe-javatra misy.
Matihanina manana traikefa manokana avy amin’ny CH Architects, manam-pahaizana ara-teknika ary olona za-draharaha maro samihafa no hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Manana anjara asa lehibe ny mpanjifa. Mirotsaka an-tsehatra isan’ambaratonga ny Vima : manomboka amin’ny famolavolana ka hatramin’ny fisafidianana ny fitaovana ampiasaina sy ny loko".
Geneviève Brunet :
Mpahairafitrano frantsay monina eto Madagasikara efa hatry ny ela i Geneviève Brunet ary nahavita zavatra betsaka. Anisan’izany ny gara etsy Soarano. Tamin’ny taona 2009 no nitarihany ny asa fanavaozana ity gara vavolombelon’ny tantara eto an-drenivohitra ity ka nanome azy aina vao.
Niandraikitra ny fanavaozana ny gara etsy Andasibe ihany koa izy, sy ny masoivohon'ny BNI miisa 17 ary ny masoivohon'ny MCB miisa 4.
Tsy mpahay rafi-trano fotsiny i Geneviève Brunet fa mpanoratra ihany koa. Boky roa no efa navoakany :
Tana cultures 2000 sy Tana cultures 2004, Dakar, le guide.
NOKIA SIEMENS NETWORKS
Ny Explorer business Park Antananarivo dia handray mpanofa manana ny lazany manomboka ny volana septambra 2011.
Ny Nokia Siemens Network dia hanangana birao eto an-drenivohitra amin’ity taona 2011 ity ka ny Business Park no toerana nofiadiany hanaovana izany.
Nokia Siemens Networks amin’ny fehezan-teny fohy…
Nokia Siemens Networks dia mpiara-miombon’antoka lohalaharana eran-tany amin’ny mpamatsy fitaoavana eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Mifantoka tanteraka amin’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana maharitra, ny orinasa dia manolotra karazana fitaovana hary fomba maro isan-karazany momba ny fifandraisana amin’ny lafiny rehetra, ary ihany koa havanana amin’ny torohevitra mikasika izany toy ny fikirakirana sy ny fikojakojana. Anisan’ny orinasa vaventy lohalaharan eran-tany amin’ny famokarana fitaovana, singa fampiasa amin’ny solosaina ary fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Nokia Siemens Networks dia miasa eo anivon’ny firenena miisa 150. Ny foibeny dia ao Espoo, any Finlande.









