Faritra ananana
Ao anatin’ny 25 000m² tantanana eto amin’ny tany Malagasy, Vima REAL ESTATE dia :
ANTANANARIVO
Explorer Business Park-Ankorondrano
Tany mirefy 3 Ha, ny 12.000 m2 dia misy birao eo anivon’ny toeram-pandraharahana eto Antananarivo.
Ny mpanofa :
Masoivohon’i Norvezy
Masoivohon’i Thailande
Masoivohon’i Maroka
Airtel
BGFIBank
SNC-LAVALIN
Conservation Nationale
MCB
ERNST & YOUNG
BMOI (BNP Paris)
LOGISTIQUE PETROLIERE
SHELL
CMA – CGM
AMCHAM
REGUS (octobra 2011)
Nokia Siemens (septambra 2011)
Masoivohon’i Afrika Atsimo – Ankorondrano
Toerana mirefy 2 000 m2 , ka ny 1000 m2 dia birao ary ny ambony nanaovana zaridaina sy parking. Io trano io dia naorin’ny Vima CONSTRUCTION tamin’ny taona 2008 izay miavaka eo amin’ny sehatra fiarovana sy serasera eto Madagasikara.
MAJUNGA

Eo anivon’ny tanàna miravaka voninkazo, toeram-pandraharahana ara-barotra antsoina hoe « La Ville des Fleurs » no misy ny Jumbo Score, ny BMOI (BNP Paribas), Homéopharma, Austral Air, Clémenty ary atsy ho atsy ny Canal +.
Miorina eo amin’ny velaran-tany mirefy 4.000 m2 , « La Ville des Fleurs » dia toerana tokana ao Mahajanga ahitana toeram-pandraharahana ara-barotra sy toeram-piantsenana.
MORAMANGA
Mifanila amin’ny ala kesika hiasan’ny Vima WOOD INDUSTRY dia misy trano fonenana 5 mirefy 70 hatramin’ny 158 m² sy trano fitehirizan’entana 3 mirefy 36 hatramin’ny 646 m² mihofa ka ny Vima Real Estate no mitantana izany.









