Fampahafantarana sy tarehimarika tsara ho fantatra
Noho ny fivoarana sy ny tolotra mihamaro aterik’izany eo amin’ny sehatry ny famapanofana tany sy trano, ny vondrona Vima dia miara-miasa akaiky amin’ireo orinasa mpanao trano.
Izany no nahatonga an’ny Vima Construction tamin’ny volana Martsa 2008, handimby ny orinasa Cogénal izay efa nanana ny traikefany hatramin’ny taona 1984.
Vima Construction dia mpikambana ao amin’ny SEBTP (Syndicat des Entrepreneur du Bâtiments et Travaux Publics) eto Madagasikara sady tompon’ny ampahany 99,98 %.
Ny Vima Construction dia afaka mamita ara-potoana ny asa manara-penitra sy manaja ny fitsimpim-piarovana ankinina aminy (indrindra noho ny fiaraha-miasany akaiky amin’ny Bureau d’études) satria manana mpiasa voaofana sy fitaovana harifomba ilaina amin’izany.
Vonona tanteraka amin’ny fanatontosana asa vaventy toy ny BTP, indostrialy ary génie civil ny orinasa satria dia mpiasa matianina toy ny tompomarika, mpahaimaritrano ary teknisianina voaofana no miara-miasa aminy.
Teny fohy
Tale Jeneraly : Zouzar Bouka
Adiresin’ny birao :
Immeuble SACM - 1er étage
Ankorondrano
Antananarivo Madagascar
Téléphone : +261 20 22 330 94
Fax : +261 20 22 381 61
E-mail : construction@vima.mg
Tarehimarika tsara ho fantatra
- Vola niditra 2010 : 4 905 619 873Ar HT
- Isan’ny mpiasa 31 desambra 2010 : 147
- Reny vola : 360 000 000 Ar
- Toerana iasana : Faritany manerana an’i Madagasikara
- Tompom-bola: ny 99,98% dia an’ny vondrona Vima
- Sehatra : miankina sy tsy miankina









