Fampidirana

Hatramin’ny taona 2015 i ViMa dia manana petrabola amin’ny ampahany kely sy mpiara-miasa amin’ny Symbion Power Madagascar.

Symbion Power no isan’ireo mpamatsy vola amerikanina matanjaka raha eo amin’ny sehatry ny herinaratra eto Afrika. Mpanamboatra fotodrafitrasa momba ny herinaratra ka mivoy manokana ny fampiasam-bola, fananganana ary ny fitrandrahana ny rafitra fototra eo amin’ny sehatry ny herinaratra, izay ahitana tariby misy tosikaratra avo dia avo sy tambazotra fitsinjarana herinaratra, toerana fitsinjarana, toby famokarana herinaratra ary ny fitaovana mampihena ny tanjaky ny famindrana tosikaratra. Symbion ihany koa dia isan’ireo mpikambana mpanorina ny Tetikasan’i Filoham-pirenana Amerikanina teo aloha Barack Obama ny amin’ny Fanaovana Hetsika ny amin’ny Famatsiana herinaratra an’i Afrika (Power Africa Initiative) ary ny filoha Obama dia nifidy ny Symbion Power Plant any Tanzania tamin'ny fanokafana izany tamin'ny 2013. Tamin’ny taona 2015 ny orinasa amerikanina Symbion Power no nampiasa vola tamin’ny asa fanarenana an’i Mandroseza, toby mamokatra herinaratra hatramin’ny 40 MW izay mandeha amin’ny rihi-tsolitany (HFO) eto Antananarivo. Ireo tranga nanamarika ny Toby Famokarana herinaratra Symbion Power Plant ao Mandroseza: • 2015 – Natomboka teto Madagasikara ny Symbion ny volana Aprily ary nisy ny fifanarahana natao teo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana tamin’ny faramparan’ny taona • 2016 – Natao Sonia ny fifanarahana famatsiana rihin-tsolika ny volana Oktobra • 2016 – Natomboka ny asa fanarenana ny toby mpamokatra herinaratra hatramin’ny 40 MW Symbion Power Mandroseza • 2017 – Ny volana Aogositra dia afaka namokatra tanteraka ny 40MW ny toby famokarana herinaratra • 2017 – Eto Antananarivo nahatratra 228 MW ny filàna herinaratra farafahabetsany rehefa hariva ny andro raha toa ka ny filàna manerana ny nosy dia 350 MW fotsiny ihany. • 2017 –Ny fampidirana ny vidin’ny herinaratra amin’ny sarany ambany (108.45 ariary ny kwh) dia nisy akony tsara teo amin’ny rafitra teto Antananarivo.