Pejy fanolorana Asa atao Asa atao Fampahafantarana sy Tarehimarika tsara ho fantatra Fampahafantarana sy Tarehimarika tsara ho fantatra

Fampahafantarana sy Tarehimarika tsara ho fantatra 

Orinasa natao indrindra hanampy ny mpanjifa amin'ny fividianana entana sy ny famatsiana azy ireo.Vima Serv’ dia miasa amin’ny faritra manerana an’i Madagascar.
Io sampana io dia tokana ny tanjony, dia ny hanome fahafaham-po ireo mpanjifa.

Ny Vima Serv’ dia manome vahaolana mifanaraka amin’ny tsenam-barotra izay tsy mitsaha-mivoatra amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha mpandraharaha sy mpanelanelana tokana azy (“one stop supplier”) dia manome ara-potoana ny vokatra tsara indrindra izy izay mifanaraka amin’ny fahefamividin’ny mpanjifany.

Mandray andraikitra tanteraka amin’ny fividianana ny entan’ireo mpanjifany, manampy sy manoro hevitra azy ireo na eo amin’ny sehatry ny vokatra na ny fikojakojana rehetra mety ilaina mikasika izany. Izany no imasoan’ny mpiasa lahy sy vavy ao amin’ny Vima Serv’.

Masoivohon’ny marika maro, io sampan’ny vondrona io dia manome toky ireo mpanjifa eo amin’ny hatsaran’ny vokatra sy vidiny.

 

Teny fohy

Tale Jeneraly : Andriamatoa Koureich Fidahoussen

Adiresin’ny birao:
Immeuble SACM - Rez-de-chaussée
Ankorondrano
Antananarivo Madagascar

Téléphone: +261 20 22 306 40 | 43
Fax: +261 20 22 306 38

E-Mail: vimaserv@vima.mg

 

Tarehimarika tsara ho fantatra

  • Vola niditra 2009 : 3.660.585.377 Ar HT
  • Isan’ny mpiasa 31 desambra 2010 : 15
  • Reny vola : 125 000 000 Ariary
  • Toerana iasana: Faritra manerana an’i Madagasikara
  • Tompom-bola: ny 99% dia an’ny vondrona Vima
  • Sehatra : miankina sy tsy miankina