Ny lehilahy sy ny vehivavy ao
Anisan’ny fototra ijoroan’ny vondrona Vima ity foto-kevitra ity :
« Ny lehilahy sy ny vehivavy miasa ao amin’ny Vima dia samy manana ny andraikiny tsirairay avy. Ny fikelezan’ainan’izy ireo no andry iankinan’ny vondrona »
Miisa 193 ny mpiara-miasa : lahy sy vavy.
Ny fahaiza-manao sy ny fahazotoan’izy ireo no mampandroso ny vondrona.
Olona iray ao anantn’ny vondrona no asongadina amin’ny alalan’ny fanadihadiana isan-telo volana.
FANADIHADIANA
« Vehivavy manana hazon-damosina eo amin’ny tontolo-dehilahy »
Lova Andrianalinofy Rakotondrabary
Talen’ny fitondran-draharaha sy ny fitantanam-bola ao amin’ny Vima CONSTRUCTION
(Fanadihadiana notsongaina tao anatin’ny Vimascope jolay-aogositra-septambra 2011)
Madagasikara dia anisan'ireo firenena izay mbola lehilahy ny ankamaroany no mitana ny toeran'ny tompon'andraikitra.
Niova anefa ny foto-pisainana ka manomboka mahazo toerana eo amin’izany tontolo hanjakan’ny lehilahy izany ny vehivavy.
Manam-pahaizana, manam-pasahiana matetika izy ireo ka tsy manaiky lembenana intsony fa vonona hatrany !
Anisan’ireny vehivavy mavitrika, vonona sy tsy mihambahamba ireny i Lova Andrianalinofy Rakotondrabary.
Manana ny maha izy azy i Lova ka to teny sy hajaina eo amin’ny tontolon’ny fanorenana sy ny asa vaventy.
Manambady izy ary lahy tokana 4 taona ny zanany, nahazo ny diplaoma "Etudes en Sciences Comptables Approfondies" tao amin'ny INSCAE tamin'ny taona 2004.
Etsy an-danin’izany dia Consultante Administrative amin' orinasa momba ny lamba ihany koa izy.
Nanomboka ny fiandohan'ny taona 2010 i Lova no niasa tao amin’ny Vima CONSTRUCTION izay reharehany tokoa !
(Vimascope ) Azonao lazaina fohifohy ve ny làlana nodiavinao ?
Rehefa vita ny fianarako dia nanao « Auditeur Financier » nandritra ny telo taona sy tapany tao amin'ny « Cabinet d'Audit » iray aho.
Avy eo aho nitana ny toerana Talen’ny fitondran-draharaha sy ny fitantanam-bola tao amin’ny « TROPIC MAD » orinasa afa-kaba nandritra ny telo taona.
Nanomboka tamin'ny febroary 2010 aho no nandray ny toerana DAF eto amin'ny Vima CONSTRUCTION.
Efa hatry ny ela ianao no niasa teo amin’ny sehatry ny fanenomana sy ny lamba, inona ny antony nanosika anao hiasa amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy?
Taona maro tokoa no niasako teo amin’ny sehatry ny fanenomana sy ny lamba, naniry mafy aho ny ampiasa ny fahaizako amina sehatra tsy misy fandraisany amin’zany mihitsy. Ka ny fanorenana sy ny asa vaventy no heveriko mety tsara amin'izany !
Mandroso dia mandroso tokoa mantsy io sehatra io eto Madagasikara ka naniry ny handray anjara amin’izany fandrosoana izany aho.
Ambonin’izany, mitaky fahasahiana sy risim-po satria ny tetibola dia goavana, ny mpiara-miasa maro ary asa ao anatiny dia tsy mitsaha-mitombo.
Tao anatin'ny herin-taona sy tapany dia tsapako fa rehefa miasa et amin'ny Vima CONSTRUCTION dia mila manana finiavana, vonona hatrany ary tsy matahotahotra ny hiasa na inona na inona ny sehatra tantanana. Izany no manosika ahy hiezaka hanao ny tsara kokoa hatrany.
Inona avy ny andraikitrao eto anivon’ny Vima CONSTRUCTION ?
Tomponandraikitry ny fitantanan-draharaha sy ny vola aho. Tsara vintana aho fa tanora sy mavitrika ny mpiara-miasa amiko.
Izaho no mamolavola sy manara-maso ny teti-bola isan-taona, manadihady sy mandinika ny toe-bola, mandrindra sy manamarina ny toe-bola, ny fiandraiketan-draharaha sy ny fandoavana ny karama, manara-maso ny fitantanam-bola ary ny fitakiana ny trosa.
Miandraikitra ny fampiasana ny tetibolan’ny orinasa ihany koa aho sy izay rehetra momba ny hetra, manara-maso ny famokarana, ny fandanian’ny sampandraharahan’ny asa, manoritra ny mason-karena sy ny tombony isaky ny tetikasa iray, manara-maso ihany koa ny fitondran-draharaha, ny tetibola ary ny tetikasa (eny amin’ny tobinasa).
Maro noho izany ny andraikitra sahaniko amin’ny lafiny rehetra !
Tobinasa aiza no iasanareo amin'izao fotoana izao ?
Asa telo no indray tanterahanay amin’izao fotoana izao : Regus, NSN ary RTA.
Regus dia tetikasa goavana sy manan-daza ho an’ ny Vima CONSTRUCTION
Tetibola faobe mitentina dimy miliara sy fito-jato tapitrisa Ariary no natokana ho an’io tetikasa io. Tetikasa izay fanamby lehibe ho anay na eo amin’ny lafiny fampitaovana izany na eo amin’ny lafiny teknika.
Fahasahiana ny fanavaozana ka reharehanay ny mandray anjara amin’io tetikasa io.
Raha amiko aloha dia fomba iray hamakafakana ny elanelana misy eo amin’ny fanatanterahana sy ny tetibola teny am-piandohana io tetikasa io hanatsarana ny fandrindrana sy hampiharana ny paikady napetraka tamin’ny taona 2010.
Amin’ny volana aogositra no atolotra io tetikasa io.
Etsy an-daniny dia manao ny asa fanavaozana ny biraon’ny Nokia Siemens Network ao amin’ny faritry ny EBP sy ny fanavaozana ny toeram-pandraharahan'ny RTA Ankorondrano izahay.
Sahaniko vonjy maika amin’ireo tetikasa telo ireo ny fitantana ny sampandraharahan’ny famokarana ka ahafahako miara-miasa akaiky amin’ny Mpitarik'asa roa sy ny ekipan'ny Bureau d'études.
Inona avy ireo zava-bita tena nahafapo anao ?
Nahafapo ahy avokoa ny asa vitanay rehetra. Kanefa raha ny marina dia asa roa no tena nahafaly ahy noho ny antony maro samy hafa.
Voalohany, ny lapan’ny tanàna satria na dia teo aza ny krizy dia vita orina ihany io trano be kanto dia kanto mirakitra tantara io (NDLR : May tanteraka tamin’ny 13 may 1972 izay mbola raiki-tapisaka ao an-tsain’ny besinimaro)
Tamin’ny 2009 no nanombohana ny asa ary ny volana desambra 2010 no vita.
Laza tsy roa aman-tany ho an’ny Vima Construction ny fanorenana ny Lapan’ny tanàna ary miantoka fahazoan-toky tsy azo lavina ho anay. Tsy dia mananosarotra intsony ny fitadiavana mpanjifa vaovao ary mitombo ny tinady nanomboka tamin’izay. Izany dia porofon’ny hatsaran’ny kalitaon’ny asa vita.
Tiako ho marihina etoana ihany koa ny tobinasa Regus satria ankoatran’ny fahafantarana ny hevitry ny hoe fanavaozana dia manana andraikitra ara-teknika ihany koa ny tenako. Zavatra tena mifanalavitra amin’ny asako voalohany izany dia ny fitantanam-bola.
Manaporofo izany fa vitako tsara ny asan- dehilahy na vehivavy aza aho.
Tsy mananosarotra ve izany hoe vehivavy misonga ao anatin’ny tontolon-dehilahy izany ?
108 ny mpiasa raikitra ka 10 ihany ny vehivavy ao anatin’izany. Tsy arakaraka ny fiheverana azy fa tsy mampaninona velively !
Tsotra fotsiny ny tsiambaratelon’ny fahombiazana ao amin’ny tontolon-dehilahy : tokony hatanjaka, havitribitrika, hatoky tena ary indrindra indrindra hahay mandresy lahatra.
Noho izany dia sahiko ny milaza fa azon’ny vehivavy atao mora foana ny miasa ao amina tontolon-dehilahy.
Na izany na tsy izany, tsy mitovy zo ve ny lehilahy sy ny vehivavy e ?
Ireo vehivavy 9 hafa manana andraikitra ao amin’ny sampandraharaha misahana ny mpiasa, ny sampandraharaha mpanara-maso ny fitantanana, ny lehiben’ny tobinasa dia miara-miasa akaiky amin’ny lehilahy. Mitovy tsy misy valaka ny hevitray. Tsy nisy ny olana amin’ny maha matihanina azy ireo sy ny fahaiza-manaony.
Inona avy ireo tetikasa ho avy banjin’ny Vima CONSTRUCTION ?
Amin’izao fotoana dia eo am-panatontosana tetikasam-panamboarana trano mihaja ho an’olon-tsotra 4 eto Antananarivo sy Toamasina izahay. Namaly ny fitaomana hanao tolo-bidy mikasika ny fanamboarana sy fanitarana ny kilasy mandry sy ny efitra fianarana eny amin’ny Lycée Français eto Antananarivo ihany koa. Eo ihany koa ny fanavaozana ny trano fiasan’ny Ambasady norveziana, ny fandrodanana ny sekoly Sully ary ny tetikasa fanavaozana ny tafon-trano sy ny lalan-drano ao amin’ny faritry ny EBP.
STL









