Pejy fanolorana vondrona vondrona Soatoavina Soatoavina

Soatoavina 

 

Niorina tamin’ny fitsipika fototra toy  ny firaisankinan’ny mpiara-miasa, ny fandraisana andraikitra ary ny fifanajana ny vondrona Vima 

Mifototra amin’ireto fitsipika miisa 9 manaraka ireto ny soatoavin’ny vondrona :

1. Manome fahafaham-po sy mitondra vahaolana ho an’ny mpanjifa no tanjona tokana.

2. Hery tsy azo lavina eto anivon’ny vondrona Vima ny lehilahy sy ny vehivavy.  Ny fandraisan’izy ireo andraikitra no antony hisian’ny vondrona.

3. Ny kalitao no fototry ny fahafaha-mifaninana.

4. Ny fahaiza-mamorona no hany lalan-tokana ahafahana manolotra zava-baovao tsy be mason-karena.

5. Ny fanajana tena, ny fanajana ny hafa sy ny tontolo iainana no zava-dehibe indrindra.

6. Ny fihaikana no miteraka fandrosoana

7. Ny fanofanana no ahafahan’ny mpiasa mandalim-pahalalana sy mampivelatra azy eo amin’ny asa aman-draharahany.

8. Ny taranaka vao misondrotra, noho ny hery hananany, no manorina ny fanjariana ho avy.

9. Fanamby napetraky Vima ombieny ombieny ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.