Fampahafantarana ny vondrona
Ny Vima dia anisan’ny vondrona lehibe indrindra eo amin’ny fampandrosoana ny asa vaventy (Agulhas, Vima REAL estate),ny asa fanorenana (Vima construction), , ny asa fanampiana sy famatsiana (Vima serv’) , ary ny indostrian’ny hazo (Vima Wood Industry) eto Madagasikara.
Ny Vima dia niforona tamin’ny taona 2000. Ny tanjon’ny Filoha Tale Jeneraly, Zouzar Bouka, dia ny hanao an’i Vima ho andry iankinana amin’ny fanomezana endrika vaovao an’i Madagasikara ka ireo orinasa tsy miankina no handray anjara amin’ny fanatsarana bebe kokoa ny fiainan’ny malagasy.
Ny fahavitrian’ny mpiasa rehetra na lahy na vavy dia manainga ny fandrosoan’ny vondrona ahafahana manatanteraka tetik’asa goavana.
Ny fanolorana asa voakaly ho an’ny mpanjifa sy ny mpiara-miombon’antoka, ny fikelezan’aina, ny fandalinana ary ny fahaiza-manao no fototry ny fahombiazan’ny vondrona.
ORGANIGRAMME










