Pejy fanolorana Asa atao Asa atao Politique de Recrutement Politique de Recrutement

Politique de Recrutement 

 
Tetika fampidirana mpiasa tanora

Tanora avokoa ny mpiasa ao amin’ny vondrona Vima. Ao anatin’ny tetik’asany, ny vondrona dia mandray mpiasa tanora amin’ny ankapobeny izay nahavita fanofanana teknika : Tompomarika, Bac+5, Licence, BTS. Mitombo hatrany ny isan’ny mpiasa tanora raisin’ny Vima Construction avy ao amin’ny toeram-piofanana arak’asa momba ny trano.

Ny tanora mpianatra asa dia tsy mitsahatra manovo fahalalana momba ny asa eny amin’ny tobinasa sy ny bureau d’études ary ny biraom-pitantanana.

Fandraisana anjara amin’ny fampivoarana ny asa

Ny Vima dia miasa amin’ny faritra maro eto Madagasikara ary miezaka ny hampifangaro ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny tetik’asany.

Isaky ny tanàna rehetra hiasany, ny vondrona dia mandray anjara amin’ny fampitoboana ny fandraisana mpiasa avy eto an-toerana, ary mamporisika azy ireo  hiofana sy hirotsaka bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny asa mba ahafahany mivoatra.

Fifandraisan

Ny fahombiazan’ny mpiasa vaovao dia miankina amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny mpiara-miasa ao anatin’ny orinasa. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny mpiasa ao aminy ny vondrona. Izany no antony namolavolany ny tetika fampifandraisana arak’asa eo amin’ny mpiara-miasa manomboka amin’ny mpiasa madinika ka hatramin’ny ambony indrindra :

-          Fampahafantarana lalindalina kokoa ny vondrona.

-          Fanekena ny lamin’asa, ny asa tandrifin’ny tsirairay, ny tetika sy ny fomba fanaon’ny vondrona amin’ny ankapobeny.

-          Fanazavana momban’ny vokatra andrasan’ny orinasa aminy sy ny fitsipika ary ny paika iraisana.

Ankoatr’ireo dia misy ny tanjona tsy maintsy tratrarina ao anatin’ny fe-potoana ianarana ny asa.


Valin-kasasarana

Ny fomba fandoavan’ny vondrona Vima ny valin-kasasarana dia miankina amin’ny toe-tsaina « miady ho an’ny tombontsoa iombonana ».

Arak’izany toe-tsaina izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny valin-kasasarana mba hampavitrika ny mpiasa. Toy izao ny fomba atao amin’izany :
• Fanomezan-danja ny ezaka vitan’ny tsirairay :  

- Manome karama mifanaraka amin’ny fahaizan’ny mpiasa manantontosa ny andraikitra ankinina aminy araky ny traikefa ananany.

- Manome tambin-karama araky ny ezaka vitan’ny tsirairay.

   • Ny fahaizana miara-miasa amin’ny hafa dia andraisana tambin-karama izay kajiana ifanaraka amin’ny vokatra azon’ny orinasa.


Fivelarana eo amin’ny sehatry ny asa sy fanofanana

Ao anatin’ny hoe « miady ho an’ny tombontsoa iombonana », ny fitantanana ny asa aman-draharaha dia tetika iray nataon’ny vondrona hanampiana ny mpiasa hivoatra eo amin’ny sehatry ny asa.

Ny vondrona dia maniry fatratra hanao ny fomba rehetra ahafahan’ny mpiasa ao aminy mivoatra. Ny fanofanana nataony dia efa nahazahoan’ny sarangan’asa rehetra tombontsoa.

Ireo dingana maromaro ao anatin’izany dia natao indrindra ahatratrarana tanjona roa lehibe, dia ny ampitombo ny traikefa ananana sy ny ivelaran’ny tsirairay eo amin’ny sehatry ny asa. Na ho an’ny asa fanorenana na ho an’ny asa fitantanan-draharaha, dia misy fandaharam-panofanana atolotra ho an’ny mpiara-miasa isaky ny voalohan’ny taona mba hampivoarana ny traikefa sy ny fitondrantena.

Na dia iaraha-mahalala aza ny toe-pahaizan’ny mpiasa malagasy mianatra asa eo no eo, ny vondrona dia miara-miasa amin’ny toeram-piofanana ho an’ny olon-dehibe mba ahafahan’izy ireo miofana tsy ankiato.

Tamin’ny taona 2008 dia 40%’ny mpiasa no nahazo fiofanana momba ny rafi-bato sy béton armée izay natao niaraka tamin’ny Centre de Formation Bevalala. 40% no niofana momba ny vonjy aina niaraka tamin’ny mpamonjy voina. Tamin’ny taona 2009, ny solontenan’ny mpiasa dia nanao fiofanana tao amin’ny Institut National du Travail. Ny vola ampiasaina isan-taona anaovana fanofanana dia mahatratra 2%’ny karama faobe.

Mba anatsarana ny fitantanana ny fanofanana dia misy ny resadresaka atao amin’ny mpiasa tsirairay isan-taona mba handanjalanjana ny ezaka vitany sy ny fivoarany.

Amin’izany fotoana izany no ahafahany maneho ny heviny amin’ny ezaka vitany teo anivon’ny vondrona sy ny fomba fijeriny izany raha miohatra tamin’ny tao-dasa, ary ihany koa :

-          Manome hevitra anatsarana ny fandaharam-piofanana sy ny fivoarana arak’asa ho an’ny taona ho avy

-          Maminavina ny fitsinjarana ny asa sy ny zava-bitan’ny vondrona


Ny fifindran-toerana

Ao anatin’ny vondrona, ny fifindra-toerana dia miankina amin’ny hetahetan’ny mpiasa sy ny fivoarany. Na izany aza, ny fitsinjarana ny andraikitra dia mety hanome vahana izany amin’ny alalan’ny asa fanofanana sy ny fisondrotana izay mahakasika ny mpiasa rehetra.


Fifampatokisana maharitra

Eo anivon’ny vondrona, ny teny « fifampatokisana » dia mavesa-danja toy ny teny baiko telo :

- Kalitao
- Sarany
- Fanajana fotoana

Ny teti-pitantanana ny  mpiasan’ny vondrona dia miankina amin’ny fifampatokisana :

- Ezaka eo amin’ny fanofanana ny tsirairay

- Fampitandremana eo amin’ny tsy fanajana ny kalitao, ny fitsipim-piarovana etc .
- Firesahana malalaka ny ezaka vita
- Fifanarahana anatiny momba ny sazy omena ireo tsy manara-dalàna

 

Mikasika indrindra ny fanajana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, ny vondrona dia anisan’ny andiany sasan-tsasany eto Madagasikara manana trano fivoahana maina ara-boajanahary eny amin’ny tobinasa. Izany fepetra izany dia natao tamin’ny taona 2008 mba isorohana ny olana ateraky ny areti-mifindra sy ny fofona ary ho fandraisana anjara amin’ny fampihenana ny fako sy ny fitsitsiana ny rano.